Teny iditra |
zehy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | Halavan-drefy hatreo amin' ny ankibe ka hatramin' ny tendron' ny fanondroadala henjanina tsara. Ny zehy dia fampiasa indrindra amin' ny fandrefesana farafara, sakan-tenona, hatevenan-drindrina: Ny halavan' ny zehy iray dia mitovy amin' ny voantondro valo na folo eo ho eo. (Marihina fa ny filazana ny refy amin' ny zehy dia hoe: irain-jehy, roan-jehy, telon-jehy sy ny sisa... fa tsy lazaina hoe: iray zehy na roa zehy na telo zehy [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | a span, about 8 inches or 20 cm [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | un empan depuis l' extrémité du pouce jusqu' à l' extrémité du petit doigt [Veyrières 1913]
|
| empan, environ 20 cm [Hallanger 1974]
|
Voambolana |
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|