|
|
|
|

Teny iditra1  Naloan' ny fasana
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Narivony Jean
Lahatsiratra manontolo 
5  Dia nody ny tafika fa avy nandresy,
6  Nirava ny toby,
7  Ka heno nanako ny antsa misesy
8  Narahina hoby.
9  'Reo foloalindahy nomban-Janahary
10  Nirehi-pamindra
11  Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary
12  Ka mirana indrindra!

13  Somebika faly ny tao an-tanàna, io
14  Nifampiarahaba.
15  Hatraiza hatraiza dia nisy korana
16  Nomban-tabataba.
17  Kanefa indrisy! tanatin' izany,
18  Rahanitriniala
19  Dia re nitoloko sy heno tomany,
20  Nilaoza-malala !

21  Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy
22  Ho antoky ny ady,
23  Dia very ny toky nampanantenainy,
24  Ka ory ity vady;
25  'Lay hany domohina mamin' ny fony,
26  Nindaosim-papango;
27  Ny fiainana zary tsy sitrany intsony,
28  Fa feno farango.

29  Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra
30  Aharetan' ny saona,
31  Dia tonga ireo efa naniry rehetra
32  Nitady hihaona.
33  Kanefa Rahanitra tsy mba nandray
34  Ny fitia kolokolo;
35  Nilaozan' ny vary ka mandrakizay
36  Tsy mila pisolo!

37  Niroso ny jono, nitranga ny vovo,
38  Fa tsy nahavoa;
39  Ny antitra trema, ny sidin-jatovo
40  Niseho avokoa,
41  Kanefa ny vola sy ny endrika kanto
42  Tsy nanana hery;
43  Nanoro niangavy ireo hanam-binanto
44  Fa tsy afa-nanery!
45  " Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny,
46  Tsy ketsa nafafy
47  Ka ho haiko afindra ombieny ombieny,
48  Fa aleoko mihafy.
49  Ny ahy fitiavana latsaka anaty
50  Maningotra ny aiko,
51  Ka aoka hanaraka ilay efa maty
52  Tsy afaka an-tsaiko!"

53  Dia nofiny, hono, indray alina izay,
54  'Lay tiana eram-po
55  Nivoaka naloan' ny fasana indray,
56  Tsy simba na lo.
57  Dia tamy namafa ny tavany, hono,
58  'Zay feno tomany,
59  No sady nandrehitra ny afo voavonon'
60  Ny Fanantenany!

61  Kinanjo karazan' ny embona ihany
62  'Ty nofiny soa,
63  Fa indro' lay efa natelin' ny tany
64  Nitranga tokoa !
65  Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka
66  Nanako-masoandro,
67  Nisava ny rahona ka nibaliaka
68  Ny taratry ny andro!

69  Tsy maty Ravalo, fa nony naratra
70  Dia lasan-ko babo,
71  Ka tonga tantanan' izay olona antra
72  Mba nety nitsabo.
73  Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana,
74  Tsy misy ahina,
75  Ka indro fa tody eo an-tany nialany
76  Ravalonirina !

77  Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy,
78  Dia mandrakizay;
79  Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy
80  Ny fo mifandray!
81  Ny senton' ny lavitra mety ho heno,
82  Miampita tokoa
83  Rehefa fitiavana iray no mameno
84  Ny fon' olon-droa!

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/08