Teny iditra b
Sokajin-teny anarana (simboly)
Famaritana malagasy tarehintsoratra faharoa amin'ny Abidia, ary renitsoratra voalohany. Isan'ireo tsy mba azo tononina mazava manokana raha tsy miaraka amin'ny anankiray amin'ny zanatsoratra a, e, i, o, y. (Jereo koa A). Ny tsi-itovian'ny zanatsoratra sy ny renitsoratra: ny zanasoratra dia feo alefan'ny havokavoka, mivoaka tsotra amin'ny vava; ny renitsoratra kosa: feo alefan'ny havokavoka, izay tsy afa-mivoaka amin'ny vava raha tsy mamaky, na manohitra fisakanana samy hafa: tenda na traotraoka, lanilany, lela, nify, molotra. (Ny teny hoe Abidia dia noforonin'ny taty amintsika hatao anaran'ny fitambaran'ny tarehintsoratra rehetra, 21, anoratana ny fiteny malagasy araka ny feo hita aminy; ny anaran'ny tarehintsoratra telo voalohany no natohy: a, b, d, araka ny fanononana azy amin'ny tenin'ny Angley Vazaha nanolotra azy tamin-dRadama Rainy. Amin'ny firenena maro any an-dafy dia: Alphabeth, no iantsoana ny fitambaran'ny tarehintsoratra rehetra, 25 na 26, ets.: teny foronina kosa amin'ny anaran'ny tarehintsoratra roa voalohany: Alpha, beth (na beta), amin'ny fiteny grika, ets., avy amin'ny Fenesianana, na Foinikana. -- Ny Frantsay manao hoe koa: "l'Abécédaire").

Tarehintsoratra faharoa hatrany ny B ao amin'ny Abidian'ny firenena maro, hatramin'ny fahagola. Hita amin'ny fiteny hebreo (sy Semitika) izany (Salamo 119; Fitomaniana 3). Amin'ny antokon'ny tarehintsoratra tononina ami-molotra ny B, naman'ny F, P, V. Raha hanonona azy dia akambana ny molotra ambony sy ambany, dia ezahina sokafana, mandefa feo toy ny mipoaka avy eo afovoany, fipoaka malefadefaka kokoa noho ny amin'ny F sy ny V. Ivahan'ny fanononana ny B amin'ny P koa: tsy ny molotra fotsiny no manonona ny B fa somary ny tenda koa. -- Izao tarehin'ny B ankehitriny izao dia azony avy amin'ny sary solontsoratra ejiptiana (hieroglifa) fahagola, ary nifandovana tamin'ny an'ny firenena samy hafa, nisy fiovaovana be ihany na tamin'ny fijorony, na tamin'ny fandehan'ny tangoliny, ny kibony, ets.; anefa dia raikitra be izao izy nony mby teo amin'ny Latina -- dia B kapitaly sy b kely: ny kapitaly dia misy andry na ranjo iray mijoro, mitondra avy eto anoloana kibo roa mifanongoa; ny b kely, kibo iray eo ambany ihany. Isan'izay tarehintsoratra fandravaka indrindra amin'ny sorakalina, ny gotika, ets. ny B.

Amin'ny Frantsay, ny B dia atao famantarana samy hafa: ilazana ny laharana faharoa, ohatra: ny tohatra B. Ny vola frantsay natonta tany Rouen dia voamarika B, ary ny tany Strasbourg, BB. Amin'ny barometra, famantarana ny toetry ny andro, ny B dia milaza "tsara". -- Ny olona kilemaina dia atao hoe "olona vita B", noho ny anaran-takaitram-batana be miantomboka amin'io tarehintsoratra io: bancal (bingo), bête (mitarehim-biby), bigle (njola), boîteux (mandringa), borgne (poa-maso), bossu (vokoka). -- Ampiasaina koa izy amin'ny fomban-kiry sy ny zava-maneno: ny B dia atao anaran'ny fanalahidim-peo (clef, key), hifanandrify amin'ny solfa TI, raha amin'ny DO dia DO na C ilay hira. Ny Bh kosa dia mifanandrify amin'ny TA. -- Amin'ny fivahana katolika, ny B dia ilazana ny sambatra, ny fahasambarana (Bonheur, Bienheureux).

Amin'ny teny malagasy, ny B dia tarehintsoratra naman'ny V -- ny V miova ho B araka ny lalàn'ny fikambanan-teny: homana vary, homam-bary (toy ny fiovan'ny F ho P). Toy ny tarehintsoratra rehetra amin'ny Abidia malagasy ihany: ny B malagasy dia tokam-peo fa tsy mba miovaova, na mety tsy hotonina akory aza (amin'ny fiteny frantsay sy angley, ets.). Isan'ny tarehintsoratra manana feo mafy, midoboka na miriatra izy, ka tsaroan'ny mpandahateny izany amin'ny fanononana, hampiasaina hanitra ny mpihaino (na dia tsy mahatoraka ny fikotroky ny D, T, G aza). -- Entina mifanao vazivazy kely, mba hihomehezana ny B: raha tafahaona tampotampoka ny mpisakaiza dia mamely ny voalohany: A...a..! -- ka valian'ny namany B...i..! -- Fitenin'ny olona, ho toy ny hirahiran'ny mpianatra mamakiteny: "Manao b a ba (biaba) ny b sy ny a, manao biabà!" [Ravelojaona 1937]

 Tarehintsoratra faharoa ary renisoratra voalohany amin'ny abidy malagasy, mitonona hoe bi na be. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the second letter of the Malagasy Alphabet. It is sounded as b in English. After the elision of one of the weak syllables, -NA, -KA, and -TRA, in a word which is joined to a second beginning with v, b always takes the place of v; thus -NA or -NY and b coming together, the -NA becomes m, and the b becomes v, as TANIM-BARY [TANY and VARY]; OLOMBERY [OLONA and VERY]; when a word ending in -KA or -TRA is united to another beginning with v, the -KA or -TRA is rejected and the v becomes b, as TONGO-BARIKA [TONGOTRA and VARIKA], SATRO-BEHI-VAVY [SATROKA and VEHIVAVY].When the verbal prefix MAN- is joined to a word beginning with b, the b is sometimes elided, and the n become m as MAMABO [MAN- and BABO]; or the n is changed to m, while the b is retained, as MAMBETA [MAN- and BETA] [Richardson 1885]
Famaritana frantsay Deuxième lettre et première consonne de l'alphabet malgache; ; il se prononce comme le b en français ; il remplace le v après ka, na, tra, any, ny, d'après les règles de la combinaison des lettres. Quelquefois il s'élide ou se combine avec l'n du préfixe man et forme m [Abinal 1888]
Mpanahaka  abidỳ
Tsanganana sy sary iray takila Ny abidia
Lahatsoratra 
Sary 

Teny iditra B
Sokajin-teny anarana (simboly)
Famaritana malagasy Singa mivaingana, fahadimy amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Famaritana anglisy Boron. [3.1]
Famaritana frantsay Bore. [3.1]
Voambolana 
Anarana siantifika b|B

2019/08/17