Teny iditra |
manararaotra
(hararaotra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Mitombo mihalehibe, mihamafy: Hanararaotra io ferinao io ka tsaboy haingana ¶ Mampiasa ny fahavoazan' ny sasany mba hanampiana trotraka izany: Aza manararaotra ny halemen' ny sasany mba hitarihana azy amin' ny ratsy ¶ Mamonjy mitady tombony haingana raha misy zava-miseho sao tsy miverina intsony io zavatra io: Manararaota ny hatanorana, rankizy, mba hiasana betsaka fa rehefa antitra tsy afaka intsony.
[Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | to aggravate, to add to, to take the occasion of, as when following some one else and seeing him do something or take something, to steal and lay the blame on another. [Richardson 1885]
|
| to take advantage of [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | profiter de l'occasion [Hallanger 1974]
|
Endriteny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra | Tsinjo miverimberina eny koa ireo arom-pefiloha vita vodivato sy voatsato-kazo, ireo tanimboly manararaotra ny tany lonaka, ireo trano bongo mitokana naorina vonjy maika ho fiandrasam-boly. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 6]
|
|