Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[fa] hamaontinana tsara ho voninahitry ny fivavahana. Ny mpisorona sy tovolahy anankiray manampy azy no mahazo mitsangana. Dia miantso in-telo ilay mpanampy ny mpisorona hoe : (1) Ô… (2) Ô… (3) Ô… Atao miadana dia miadana tsara ireo. Raisin’ilay mpanampy ny mpisorona ny rambon’ny omby ka atsobiny ao anantin’ny fanovo (zinga voatavo) feno rano eny an-tànan’ny mpisorona ho lena. Dia tondrahan’ny mpisorona rano amin'izay ny trafon’ilay omby ka tatazany avy aty ambany faingana. Miteny amin'izay izy hoe : « Mangoike (miantso) Anao Ndriananahary, Ndrianboabo, Ndrianabolisy, Ndrianakatsikatsy, aho fa hitata, (hangataka). Indro ny omby tamàna, be trafo vositra, be tongoa, (fandokana ny haben’ny trafony ihany no atao hoe : be tongoa) Omena anareo ka mifanjora, (mihinana) soa mifanjora meva, (tsara, ) fa feom-po io I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |