|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 45 Takila 47 ->

no aterina sady tsy halatra koa, fa tena filanay. Tahio soa tahio meva, ahay hitombo fananana hahazo omby amam-bolafotsy, ho lavitra fahavalo, tsy hiharan-doza, tsy ho tonga aty aminay intsony ireny fahavalo ireny fa ho any amonron-driaka (amoron-tsiraka) any no hitoerany. Tsy hanimba voly eto aminay koa ny havandra. Vita izay ny anareo Zanahary nahary tongotra aman-tànana mpamelona nahitana aina fa aoka aho hikaike (hiantso) ny fahasivin-drazana izay nitondra folo volana sy nahita masoandro, mba hanatrika eto.

Any ianareo Ra… sy Ra… (tononina tsirairay ny anaran’ireo lohandohany amin'ny razana maty ) ao ananona... (ny tany ilevenany avy) mifampitondra ianareo hanatrika ity tata (fangatahana ) ity. Koa miaingà amin-jaza amam-behivavy, rehefa nantsoina ireo lehibe fa ianareo daholo izany fa mana [lin’andro]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany