|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  halavaina
Fototeny  2 lava
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Atao tonga lavalava kokoa, tovanana: Halavao ny akanjonao fa fohy dia fohy loatra
9 Tohizina: Nohalavaina ny arabe mankany Ananona
10 Atao maharitraritra kokoa: Tsy ho azo halavaina intsony ny fetr' andro handoavanao ity trosa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to be made long or longer [1.2]
12 to be lengthened, to be extended [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 qu'on allonge, qu'on prolonge [1.8]
Ohatra  14  Mazàna no halavaina ny fifampiarahabana, mba hifanontaniana ny fahasalamana, ets. [1.38#34]
15  marina izany fa veloma ianao, koa nefa na hendry sy mahalala aza izahay, ny tenin'i Tompokovavy, raha fohy tsy azo halavaina ary raha lava tsy azo hafohizina [2.366#]

Teny iditra (2/2) 16  Halavaina
Singan-teny  17 lava
Sokajin-teny  18  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Voambolana  19  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  halavaina, Halavaina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14