|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  adika
Fototeny  2 dika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Alaina tahaka: Adikao ireo soratra hitanareo amin' ny solaitrabe ireo
9 Avadika amin' ny fiteny hafa: Nadikan-dRabe tamin' ilay vazaha ny tenin' i dada
10 Ampandalovina eo ambony: Aza fady fa adikako anao ity lovia ity
11 Lazaina, taterina: Ka angaha tsy loza fa nadikany tamin' ny mpampiasa ilay teninao teto omaly iny
12 Heverina: Nadikany ho tsy fitiavana azy ny fanakianana ny nataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 used of that which is used to overstep something else, or translated from one language into another [1.2]
14 to be copied; to be translated [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 qu'on copie ; qu'on traduit [1.3, 1.8]
16 qu'on fait passer par dessus [1.3]
17 qu'on interprète, qu'on transcrit [1.3]
Ohatra  18  Telo na efatra ny teny hebreo nadika toy izany [1.38#32]
19  Azo adika ho finiavan' ny mpitondra hametraka fitondrana tsy refesi-mandidy ve izany? [4.27]

Teny iditra (2/3) 20  adika
Sokajin-teny  21  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  22 [Antefasy] manetsa [1.78]

Teny iditra (3/3) 23  adika
Sokajin-teny  24  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  25 [Betsileo] manadino [1.78]

Fivaditsoratra  adika, 26 akady, 27 akida, 28 daikà, daika, 29 diaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19