|
|
|
|

Teny iditra1  akoho
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely)
Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakaka (ny akohovavy hanatody), mikoraka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] the domestic fowl. [Sw. k'aka (?).]
5  [1.7] a chicken
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.54] poule
7  [1.8] poulet
8  [1.405] [Sakalava-Mayotte] [akôho] coq, poule
Ohatra  9  "Angady no entiko andeha hatakaloko akoho. [2.293]
10  Fa ny akohonay no novonoina ho an' I Manana. [2.472]
11  sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy
ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano
[2.131]
Voambolana  12  Haibiby: vorona
Haiendriteny 
13  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  85  Mitery ny akoho (Rakoto Odeam)
Ohabolana  86  Ohabolana misy io teny akoho io

Fivaditsoratra  87  akoho, haoko, hokoa

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02