|
|
|
|

Teny iditra 1  akoho
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Fanazavàna teny malagasy  4 Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely)
5 Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 the domestic fowl. [Sw. k'aka (?).] [1.2]
7 a chicken [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 poule [1.54]
9 poulet [1.8]
10 [akôho] [Sakalava-Mayotte] coq, poule [1.405]
Ohatra  11  "Angady no entiko andeha hatakaloko akoho. [2.293#10]
12  Fa ny akohonay no novonoina ho an' I Manana. [2.472#101]
13  sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy
ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano
[2.131]
Voambolana  14  Haibiby: vorona
Fikambanana  15  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 92 misy ny teny how akoho
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  akoho, 17 hokoa

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21