Teny iditra aleo ... toy izay
Singan-teny aleo ; toy ; izay
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Teny enti-milaza fampitahana ka ny teny eo aorian' ny hoe "aleo" dia ilazana zavatra na hevitra eken' ny be sy ny maro fa marina na tsara kokoa: Aleo ho faty rahampitso toy izay maty anio
Na zavatra tiana na sitraka kokoa: Aleo maty toy izay menatra olona. / Aleoko ny akondro toy izay ny paiso [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Better ... than [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mieux vaut... que [1.8]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/21