Teny iditra Antananarivo miantsena
Singan-teny Antananarivo ; miantsena
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Rajaonarivelo Auguste, 1958/02/27
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Antananarivo ve tsy hiantsena? Jereo Analakely, fa vao mangiran-dratsy ny andro dia feno olona, ka efa mifaninana amin'ny kintana ny jiro elektrika mbola mitabataba ihany.

Fa ny tsy afakay dia Antananarivo miantsena raha zomà, Antananarivo miantsena raha faran'ny volana, ary Antananarivo miantsena raha andro fety!... Eo no ahitana fa manan-kolanina Antananarivo, na tsy mihafy amin'izay mahasoa Antananarivo.

Efa voatetiky ny mpivarotra hatry ny ela ireo fotoana ireo ka aiza ny fahamiramirany mamelatra entana! Amboamboarina hanaiio tra, alamindamina hanintona! Ny molotra amin'izay mitsikitsiky raha vao mahatazana ny mpividy, ny fiteny feno fanajana, ny fandokadokafana ny zavatra amidy efa mikoriana hoatra ny rano an-kararana!

Iza tokoa moa no hanatona izay mpivarotra miavonavona! Samy ho lany ihany ny vola, ka tsy aleo ve mividy amin'ireo mahay manaja, na mihoatra kely aza ny azy?...

Tsy mba fandaniana andro intsony no iantsenan' Antananarivo, ka nilaozany ela ny adivarotra mahamonamonaina sy mahavery rariny.

Tsaroako izany taloha. Tonga miantsena ny olona hijerijery vaovao, hitafasiry amin'ny havana aman-tsakaiza ela tsy hita, hitsan-gantsangana fotsiny, hividy jiro kely, savony kely, kisoka kely! Ny tambanivohitra sasany aza dia mandeha an-tongotra ora telo aman' efatra, tsy hanao inona tsy hanao inona, fa hividy voasary fotsiny ao Analakely ary mandany antsasak'adiny amin'ny adivarotra varifitoventy.

Ny lasa izany, ny fahiny izany. Antananarivo miantsena ankehitriny kosa mahalala ny hasarobidin'ny fotoana, ka hazakaza-madinika ihany. Voatety hatreny amin'ny mpivaro-damba ao anatin'ny fotoana kely foana!

Fidina izay ilaina. Aloa ny vidiny na atao kaonty. Dia indreny samy mitondra izay takatry ny volany (na izay tsy takany).

Variana ny vahiny mahita an'Antananarivo miantsena. Izany manko no ain'ny varotra .Izany no ilany iray amin'ny fandrosoan'ny tany. Izany no mampaharesaka an'Antananarivo... Ny tanàna tsy misy varotra dia tanàna malazolazo, tanàna mangingina, tanàna atahorana ho faty. Antananarivo kosa tia tsena, ka tanàna velona, tanàna mihetsiketsika. Tsy fety tsy ankobanandro, fa horakora-dava Analakely.

Fa " indro kely ", hoy ny mpandrafitra: " Tandremo ny rodarodain'ny mpanana ka ny kely avy no manao be fahandro ".


Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20