Teny iditra arebireby (rebireby)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Avezika atsy avezika aroa: Narebirebin-dRakoto ny zanany
Adalaina, fitahina: Tsy azonao arebireby aho
Tarihina mba hivilivily lalana fa tsy handeha amin' ny tokony ho izy: Aza arebireby amin' ny tantara vala maty aho fa aoka aloha hiasa
Adalaina, kolikolena, fitahina, amin' ny hevitra manodoka: Narebirebin' ilay tovolahy tamin' ny fitiavana ny zanany vavy ka tsy nahavita fianarana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on trouble, qu'on embarrasse, qu'on égare, qu'on dupe [1.3]
Ohatra azo arebireby sy kolikolena amin' ny fitiavam-boninahitra sy ny volan-Jodasy [1.342]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : arebireby, arebirebiko, arebirebinao, arebirebiny, arebirebintsika, arebirebinay, arebirebinareo, arebirebin', arebirebin-, arebirebim-
Ny lasa : narebireby, narebirebiko, narebirebinao, narebirebiny, narebirebintsika, narebirebinay, narebirebinareo, narebirebin', narebirebin-, narebirebim-
Ny hoavy : harebireby, harebirebiko, harebirebinao, harebirebiny, harebirebintsika, harebirebinay, harebirebinareo, harebirebin', harebirebin-, harebirebim-
Filaza mandidy : arebirebeo
Tovy hevitra rebirebena

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/06