|
|
|
|

Teny iditra 1  arebireby
Fototeny  2 rebireby
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Avezika atsy avezika aroa: Narebirebin-dRakoto ny zanany
9 Adalaina, fitahina: Tsy azonao arebireby aho
10 Tarihina mba hivilivily lalana fa tsy handeha amin' ny tokony ho izy: Aza arebireby amin' ny tantara vala maty aho fa aoka aloha hiasa
11 Adalaina, kolikolena, fitahina, amin' ny hevitra manodoka: Narebirebin' ilay tovolahy tamin' ny fitiavana ny zanany vavy ka tsy nahavita fianarana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  12 Qu’on trouble, qu'on embarrasse, qu'on égare, qu'on dupe [1.3#519]
Ohatra  13  azo arebireby sy kolikolena amin' ny fitiavam-boninahitra sy ny volan-Jodasy [1.342#]
Tovy hevitra  14 rebirebena

Fivaditsoratra  arebireby, 15 beriberia

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22