|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  ariary
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Anaran' ny vola izay nataon' ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4,80 frs tany aloha ary 5,00frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1/6: venty / ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin' ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin' ny hoe: ariary zato, ariary folo
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] a dollar; usually used of cut money. [Ar. al-rial, from Sp. Real.; Swa. reale.] See farantsa.
5  [1.7] a "dollar", five francs
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] une "piastre", cinq francs
Voambolana  7  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Kamban-teny 
Lohateny  9  Ilay ariary mahantra (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny ariary io
Teny nalaina  11  Soratra misy io teny ariary io

Teny iditra (2/4)12  ariary
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny frantsay  14  [1.19] [Tankarana] nom d'une espèce de cordages, haubans.
Voambolana  15  Fifamoivoizan-tsambo

Teny iditra (3/4)16  ariary
Sokajin-teny  17  anarana
Fanazavàna teny malagasy  18  [1.78] [Betsimisaraka] velarana
Fanazavàna teny frantsay  19  [1.78] surface

Teny iditra (4/4)20  ariary
Sokajin-teny  21  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  22  [1.78] [Taimoro] manodidina

Fivaditsoratra  23  ariari, ariary, arirai, iarira, iraria, rairay, riaria

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21