|
|
|
|

Teny iditra1  daholo
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Rehetra tsy misy avahana: Nihoraka daholo ny mpianatra. (Marihina fa sady mamaritra ny matoanteny ny daholo no mifandray amin' ny teny lazaina: Nihinana paiso daholo ny mpianatra; Nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso. Araka izany dia mitovy hevitra amin' ny rehetra ihany izy saingy ny rehetra mpamaritra anarana ka atao manaraka ny anarana mandrakariva, ary izany koa matetika no mahatonga ny olona hampiasa azy roa miaraka: Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra)
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] the whole, all, altogether
5  [1.7] all together
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3] Tous
7  [1.8] tous ensemble
Ohatra  8  Ao daholo ve ry zalahy? [2.528]
9  Lasany daholo ny ombiko. [2.895]
10  Ento daholo ny babo rehetra! [2.324]
11  Manao ahoana daholo ianareo? [2.4]
12  Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra [1.1]
Sampanteny 
13  Mpamaritra :
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21