Teny iditra diary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Boky kely misy ny andro sy ny volana ao anatin' ny taona, izay matetika anamarihana ny asa atao na ny zavadehibe mitranga amin' ny andro tsirairay avy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A diary [1.2]
 An agenda [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Agenda [1.8]
Ohatra 
1Nalainy ny diary tany am-paosiny. [2.499]
2Rehefa voarehitra ny afo, dia novelariny ny diary, ka novakiny io teny io. [2.324]
3Nampiasain'izy ireo ny diary hitadidiana ny vaninandro nahaterahan'ny zaza. [2.117]
Lohateny Diary mena (Andriamanantena Célestin)
Diary Tadidy 1997
Ny fihaviany Anglisy: diary.

Teny iditra diary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy Diary, boky anoratana ny atao sy ny itadidiana ny zava-mitranga isan-andro [1.17]

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/29