Lahatsiratra manontolo |
5 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
6 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
7 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
8 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
9 Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
10 Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
11 Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
12 Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.
13 Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
14 Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
15 Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
16 Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.
17 Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
18 Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
19 Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
20 Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.
21 Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
22 Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
23 Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
24 Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.
25 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
26 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
27 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
28 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
|
|