Teny iditra endahina (endaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Ohatra 
1Nendahiny daholo ny hoditra rehetra, tsy nisy [1.508]
2nendahin' ireo mpiambina ny manda ny lambako [2.996]
3Endahina ny hodiny anaovana kiraro, pôketra na fehinkibo [2.117]
4Io dia saron-daba vifotsy nendahina ary nolavadavahana tamin' ny fantsika ka manjary marokoroko ny lafiny iray [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : endahina, endahiko, endahinao, endahiny, endahintsika, endahinay, endahinareo, endahin', endahin-, endahim-, endahi-
Ny lasa : nendahina, nendahiko, nendahinao, nendahiny, nendahintsika, nendahinay, nendahinareo, nendahin', nendahin-, nendahim-, nendahi-
Ny hoavy : hendahina, hendahiko, hendahinao, hendahiny, hendahintsika, hendahinay, hendahinareo, hendahin', hendahin-, hendahim-, hendahi-

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/13