|
|
|
|

Teny iditra1  fametrahana
Fototeny  2  petraka
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fanasiana amin' ny toerana anankiray: Fametrahana voninkazo eto ambony latabatra
Fanomezana (zavatra) mba hotehirizina, fanomezana (vola) mba hiteraka: Fametrahana vola amin' ny banky
Fanendrena: Fametrahana hisotro ronono
Fanalana, fanesorana, fanonganana: Omaly ny fametrahana ilay mpiasam-panjakana nihinana ny volam-bahoaka
Fandroahana, fisaorana: Tsy nisy tsy nahalala ny fametrahan-dRakoto an-dRavao
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#484] L'action de placer, de confier, de déposer, de destituer, de renvoyer, la cause, le lieu: Io ny vata fametrahana ny fitafiana (Voilà la malle où l’on met les vêtements)
6  [1.13] dépôt, implantation
Ohatra  7  Mifanaraka amin' ny Lalàmpanorenana ve ny fametrahana ny faritra? [4.27#]
8  Toerana fametrahana masom-boly (ambioka) ary fanorenam-pitia-vana fanambadiana. [1.381#]
9  Mazava ho azy moa fa mila vola enti-mihetsika tokoa ny fametrahana izany rafitra izany. [2.59#]
10  Nampiarahina ny fametrahana ny Tandro-drihana sy ny Fihemba: andro iray anatohana ireo. [2.245#]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11