Teny iditra | fandavana (la) | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Filazana fa tsy marina: Tsy mampaninona ahy ny fandavanao ny hevitro fa ny hevitra moa samy manana ny azy Tsy fanekena: Avelanao hitsangantsangana ve izahay? -- Tsy misy fandavana e Fitsipahana zavatra iray tsara lazaina fa diso: Ny fandavan' ny olona ny fisian' Andriamanitra no mampanaram-po azy Filazana ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Angatahina amin' ny olona atao batemy na batisa ny fandavany an' i Satana [1.1] | |
Ny TSI-FANDAVANA anie ka tsy fanekena tsy akory e! [1.10] | ||
Fanazavàna teny anglisy | Refusal, disapproval, denial [1.7] | |
Fanazavàna teny frantsay | Le refus, le renoncement, le reniement [1.3] | |
Refus, renoncement, reniement [1.5] | ||
Ohatra | Fandavana ankitsirano no nantenaiko hambarany, kinanjo raikitra tsy ahoan-tsy ahoana teo ny varotra an' arivony.
[2.5] | |
Voambolana | Ontam-po | |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |
![]() |