Teny iditra fandiafasika
Singan-teny fandia ; fasika
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-boronkely mahafinaritra izay matetika mandeha tsiroaroa ka manainganainga volombody matetika eny am-pandehanana; eny amin' ny fasika eny amoron-drano no ahitana azy matetika ka izany no nahatonga ny anarany, izay atao koa hoe lavasalaka na triotrio, salahy, seritse [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A species of sandpiper. Actitis hypoleucus , L. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Guinette [1.54]
Anarana siantifika Actitis hypoleucus
Ohatra Iny mivoaka avy ao Ramatoa Ravoahirana, nitsipitsipika toy ny fandiafasika nahazo remby, mivimbina ravin-damba sy haingon'akanjo avy novidina teny amin'ny magazain'Iarivo. [1.262]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/24