|
|
|
|

Teny iditra 1  fandrosoana
Fototeny  2 roso
Sokajin-teny  3  anarana
Haiendriteny 
4  Tsotra :
5  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  6 Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa
7 Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina
8 Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao
9 Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao
10 Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  11 l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps
12 le progrès, la civilisation [1.3]
Ohatra  13  Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama. [2.508#505]
14  Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra. [4.27]
15  Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady! [2.503#34]
Tohi-kevitra  16 fihemorana
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe fandrosoana

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22