|
|
|
|

Teny iditra1  fandrosoana
Fototeny  2  roso
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa
Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina
Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao
Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao
Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3] l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps
le progrès, la civilisation
Ohatra  6  Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama. [2.508]
7  Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra. [4.27]
8  Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady! [2.503]
Haiendriteny 
9  Tsotra :
10  Tovonana :
Tohi-kevitra  11  fihemorana
Kamban-teny 
Lohateny  14  Fandrosoam-baovao

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/12