|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fanofanana (ofana)
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  famolavolana [1.13]
4  Fanatsobohana metaly mivaivay ao anaty rano na diloilo mangatsiaka, mba hahamafy azy
5  Famolavolana mpiasa amin' ny alalan' ny fampianarana fanampiny mba hanarahany ny toetr' andro: Tokony hanaroka fanofanana isantaona ny mpampianatra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6  formation [1.13]
Ohatra  7  Ny Fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak' asa. [1.320]
8  Hataonao ahoana ny mpampianatra FRAM izay iaraha-mahalala ny tsy fahampian' ny fanofanana azy? [4.27#2013/09/25]
9  Faman-gian-tsekoly sy fanofanana mpampianatra sy mpitaiza kilasimandry teto an-toerana no niandraiketako. [2.356#186]
Lohateny 

Teny iditra (2/2)11  fanofanana
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny frantsay  13  talisman contre la foudre, comme fandemy. [Tankarana] [1.19]

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12