|
|
|
|

Teny iditra1  Feo mahery
Singan-teny  2  feo, mahery
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
6  Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena,
7  Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ...
8  Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena !
9  Kanefa aza very toky, matokia!

10  Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha,
11  Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy!
12  Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo;
13  Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny …

14  Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ...
15  Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana
16  Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha.

17  Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana!
18  Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana!
19  Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo!

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/31