|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mahery
Fototeny  2 hery
Sokajin-teny  3  matoanteny na mpamaritra
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Fanazavàna teny malagasy  9 Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka
10 Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita
11 Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia
12 Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy
13 Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 strong [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 fort, puissant [1.8]
Ohatra  16  mahery fofona sady matsatso! [2.471#30]
17  Tena mahery izy ity Rangahy! [2.606#220]
18  Dia ny voalavo izany no mahery! [2.69#159]
19  Na zovy mahery, dia vaky barara; [1.240]
Fikambanana  20  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 37 misy ny teny how mahery
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 22  mahery
Fototeny  23 hery
Sokajin-teny  24  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
25  Ny ankehitriny :
26  Ny lasa :
27  Ny hoavy :
28  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  29 [Antesaka] mamerina [1.78]

Teny iditra (3/3) 30  MAHERY    
Sokajin-teny  31  anarana (fanafohezanteny) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  32 Madagascar Health and Environmental Research [3.1]

Fivaditsoratra  mahery, 33 Mehira, 34 mihare

Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17