Teny iditra |
mahery
(hery)
|
Sokajin-teny | matoanteny na mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Strong [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Fort, puissant [1.8]
|
Ohatra |
1 | Mahery fofona sady matsatso!
[2.471]
|
2 | Tena mahery izy ity Rangahy!
[2.606]
|
3 | Dia ny voalavo izany no mahery!
[2.69]
|
4 | Na zovy mahery, dia vaky barara;
[1.240]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mahery |
Ny lasa : |
nahery |
Ny hoavy : |
hahery |
Filaza mandidy : |
mahereza |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
mahery
(hery)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka]
mamerina
[1.78]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mahery |
Ny lasa : |
nahery |
Ny hoavy : |
hahery |
Filaza mandidy : |
mahereza |
|
|
Teny iditra |
MAHERY
 |
Sokajin-teny | anarana (fanafohezanteny)
|
Fanazavàna teny anglisy | Madagascar Health and Environmental Research [3.1]
|
/m:web>
Mpanahaka |
fanafohezan-teny
|
Habaka | https://www.hsph.harvard.edu/christopher-golden/mahery/
|
|