Teny iditra |
fihatsarambelatsihy
(tsaravelatsihy (tsara, velatra, tsihy))
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fisehoana ho tsara ety ivelany fotsiny; fanaovana zavatra mba hiheveran' ny olona ny tena ho toy izao sy toy izao [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | L'hypocrisie [1.3]
|
Ohatra |
1 | Fo tsy misy efitrefitry ny ahiahy, fo tsy mizarazaran' ny fihatsarambelatsihy.
[2.499]
|
2 | Fihatsarambelatsihy ara-tsosialy sy ara-politika ny famotsoran-keloka raha mankatoa ny fisian' ny tsy maty manota.
[4.27]
|
3 | Ny tanana saika hatolotra no nahemotro haingana ary ny tenin-kafaliana fihatsarambelatsihy no nateliko tsy hivoaka.
[2.944]
|
|
Tovy hevitra | |
|