|
|
|
|

Teny iditra1  fitarainana
Fototeny  2  taraina
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  Fimenomenonana: Tsy hita hohenoina daholo ny fitarainan'ny mpianatra noho ny habetsahan'ny lesona sy ny enti-mody.
5  Alahelo: Henonao izao ny fitarainan'ny rahalahinao.
6  Fitolokoana amana fitoreovana: Mahatorotoro fo ny mandre ny fitarainan'io mahantra io.
7  Fitoriana: Nandefa fitarainana tany amin'ny fanjakana aho noho ny fanalam-baraka nafitsony ahy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  [Rel. s. from mitaraina (taraina).] A complaint. [1.2]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05