|
|
|
|

Teny iditra1  fivavahana (vavaka)
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fanajana sy fanompoana an' Andriamanitra na izay heverina ho izy: Finoanoam-poana no fototry ny fivavahana amin' ny sampy
4  Foto-pinoana sy fampianarana samy manana ny azy iompanan' ny fanajana amam-panompnana an' Andriamanitra: Ny fivavahana Kristianina ~ Ny fivavahana silamo
5  Teny na fihetseham-po entina mitsaoka an' Andriamanitra, misaotra azy ary mangataka aminy; vavaka: Manao fivavahana hariva, fivavahana atora-po [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  worship; religion [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  religion ; action de prier, d'aller au culte ou à la messe [1.8]
Ohatra  8  Ny fivavahana amin'Andriamanitra sy ny razana; [1.436#]
9  ny amin' ny fivavahana, samy manao ny fanaony; [2.366#]
Kamban-teny 
Lahatsoratra  11  Randzavola: fivavahana ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20