Teny iditra fonosina (fono)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana fonony: Fonosy ny bokinao mba hadio lalandava
Atao ao anatin' ny zavatra iray izay manodidina azy tanteraka: Fonosy ao anaty lamba ny zanakao fa mandrivotra ny andro [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be covered, to be wrapped up, to be shrouded. [1.2]
 To be wrapped; to be bound (of books) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on enveloppe; qu'on relie [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fonosina, fonosiko, fonosinao, fonosiny, fonosintsika, fonosinay, fonosinareo, fonosin', fonosin-, fonosim-, fonosi-
Ny lasa : nofonosina, nofonosiko, nofonosinao, nofonosiny, nofonosintsika, nofonosinay, nofonosinareo, nofonosin', nofonosin-, nofonosim-, nofonosi-
Ny hoavy : hofonosina, hofonosiko, hofonosinao, hofonosiny, hofonosintsika, hofonosinay, hofonosinareo, hofonosin', hofonosin-, hofonosim-, hofonosi-
Filaza mandidy : fonosy
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20