Teny iditra hadinoina (hadino)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao izay tsy hahatsiarovana: Hadinoy ny heloko taminao / Aza hadinoina ny hafatro (diso ka tsy tokony hatao ny hoe: Aza hadino ny hafatro) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be forgotten, to be neglected. [1.2]
 To be forgotten [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ce qu’on oublie [1.3]
 Qu'on oublie [1.8]
Ohatra 
1Tsy azo hadinoina ihany koa izany. [1.369]
2Saingy aza hadinoina ny mba milaza amiko izay ho fofony! [2.529]
3Ny havana aza hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana. [2.69]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hadinoina, hadinoiko, hadinoinao, hadinoiny, hadinointsika, hadinoinay, hadinoinareo, hadinoin', hadinoin-, hadinoim-, hadinoi-
Ny lasa : nohadinoina, nohadinoiko, nohadinoinao, nohadinoiny, nohadinointsika, nohadinoinay, nohadinoinareo, nohadinoin', nohadinoin-, nohadinoim-, nohadinoi-
Ny hoavy : hohadinoina, hohadinoiko, hohadinoinao, hohadinoiny, hohadinointsika, hohadinoinay, hohadinoinareo, hohadinoin', hohadinoin-, hohadinoim-, hohadinoi-
Filaza mandidy : hadinoy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/18