|
|
|
|

Teny iditra1  hozatra
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny mpanao :
4  Anarana :
5  Mpamaritra :
Voambolana  6  Haiaina
Fanazavàna teny malagasy  7  (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10#H.314]
8  Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby:
9  1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela
10  2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho)
11  3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy.
12  4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  13  comme ozatra [1.3#274]
Tsipelina hafa  14  ozatra
Kamban-teny 
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny hozatra io

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/30