Teny iditra jijina (jijy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kendrena am-pitandremana fatratra, toy ny ataon' ny mpilalao kanety izay ampanatonina tsikelikely ny vava lavaka, kalina
Tsihifina, alaina na hanina tsikelikely: Nojijin' ny adala ny vola tao ambatan-drainibeny [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : jijina, jijiko, jijinao, jijiny, jijintsika, jijinay, jijinareo, jijin', jijin-, jijim-, jiji-
Ny lasa : nojijina, nojijiko, nojijinao, nojijiny, nojijintsika, nojijinay, nojijinareo, nojijin', nojijin-, nojijim-, nojiji-
Ny hoavy : hojijina, hojijiko, hojijinao, hojijiny, hojijintsika, hojijinay, hojijinareo, hojijin', hojijin-, hojijim-, hojiji-
Filaza mandidy : jijio

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/08