Teny iditra kobilaina (kobila)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Voaforiporitra, voavilavila, voaviravira: Nokobilain' ny ankizy ny satrok' ilay namany
Levilevena tsy itondrana roa: Kobilain' ny mpampiasa azy isan' andro izao Rakoto
Roridroritina, saritahina: Nokobilain' izy rehetra aho [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on rend tortu, qu’on froisse, qu’on déchire, qu’on maltraite, qu’on tiraille: Kokobilain’ ilay ity ny satroko (Cet être-là a froissé mon chapeau) ~ Nokobilain' ny manamboninahitra ilay miaramila ka mafy ny nanjo azy (Ce soldat a été maltraite par l'officier, et il en a vu de dures) ~ Izaho irery no mba kobilain' izy rehetra ka tsy misy iainako akory (Je suis seul à être tiraillé par eux et je n’ai pas un moment pour respirer) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kobilaina, kobilaiko, kobilainao, kobilainy, kobilaintsika, kobilainay, kobilainareo, kobilain', kobilain-, kobilaim-, kobilai-
Ny lasa : nokobilaina, nokobilaiko, nokobilainao, nokobilainy, nokobilaintsika, nokobilainay, nokobilainareo, nokobilain', nokobilain-, nokobilaim-, nokobilai-
Ny hoavy : hokobilaina, hokobilaiko, hokobilainao, hokobilainy, hokobilaintsika, hokobilainay, hokobilainareo, hokobilain', hokobilain-, hokobilaim-, hokobilai-
Filaza mandidy : kobilao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/28