Teny iditra |
Madagasikara
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany)
|
Fanazavàna teny malagasy | Anglisy sy frantsay "Madagascar": izany no nogasiana hoe Madagasikara. Araka izany,
ny fanononana sy fanoratana azy dia tokony hatao hoe Madagaskar. Anefa nony anaovana tononkalo izy
hita fa mety ny asiana ny litera I eo amin' ny vakiteny fahefatra sy A eo amin' ny farany, ka dia
tonga hoe Madagasikara izy. [1.10]
|
Ohatra |
1 | Marina ve ny Iroe : Radama, Mpanjakan' i Madagasikara?
[2.113]
|
2 | Nisokatra teny Ankatso ny Oniversiten' i Madagasikara.
[2.356]
|
3 | Noho i Madagasikara tsy toy ny andro taloha intsony va?
[2.270]
|
|
Voambolana |
Tovy hevitra | ~ |
Lohateny |
|
Tsipelina hafa |
Mpanahaka |
Bokiny ~
Dago ~
Kiera-be ~
Madagascar ~
Madagaskar |
|
Madagasikara: Kôntinantan' ny Malagasy
|
Teny nalaina |
Sary |
|
|
Teny iditra |
madagasikara
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | Du nom de l'île de Madagascar dont cette plante pourtant récemment introduite est curieusement devenue le symbole, sans doute en raison de l'association d'idées entre « Île rouge » et bractées rouges. La feuille pliée en deux a la forme de l'île. Poinsettia pulcherrima (Willd. ex Klotzsch) Graham (Euphorbiaceae) ou
Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch (Euphorbiaceae). Arbuste décoratif originaire du Mexique, cultivé dans les jardins et se reproduisant facilement par boutures. Il a été introduit à Tananarive en 1923 par Edmond François, alors Directeur des Parcs et Jardins. Un timbre malgache a reproduit cette plante et ses grandes bractées rouges sont devenues un motif habituel des brodeuses tananariviennes.
[1.196]
|
Anarana siantifika | Euphorbia pulcherrima, Poinsettia pulcherrima |
Voambolana |
|
Teny iditra |
Madagasikara
|
Sokajin-teny | anarana (lohatenin' boky)
|
Zana-dohateny | Ilay nosy mbola nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny |
/m:copyrigh>
Mpanoratra | Bakke Jon Erik, Randrianirina Philippe, Razafimamdimby Andriamanohisoa |
Fanonta printy | 1994. Takila: 48.
|
Voambolana |
Teny fotony | madagasikara |
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra
|
|
Teny iditra |
Madagasikara
|
Sokajin-teny | anarana (lohatenin-tononkalo)
|
Mpanoratra | Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Lahatsoratra |
Mihira anao avokoa, ô ry Madagasikara,
Ny alanao mikirindro L ny ravinala sy akondro,
Ny ravintsara sy rofia, ny tanety tsy hita fara,
Ny tendrombohitra efa konka, lanin-driaka, efa mondro.
Mihira anao izy ireny! Fa izay tsy hita intsony
Ary tsy ahitan-teny dia ireo tanàna fahizay
Lasa haolo, anaty vero, matory fahizay ka tony
Ao anaty hadivory, misaona toa mangaihay.
Miova lasy ny tanàna, mamonjy ireo toeran-donaka !
Eny an-dohasaha indray no misy setroka midonaka,
Ary eny ny korana, miravoravo fahavokarana…
Miova endrika izy ireny ary mbola hiova endrika
Hahitana fiezahana ho amin'ny fonena-mendrika !
Andro vaovao izao fa ny lasa dia nifarana...
|
|
Voambolana |
Teny fotony | madagasikara |
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra
|
|