|
|
|
|

Teny iditra1  mahafaty (faty)
Sokajin-teny  2  matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
4  Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
5  Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
6  Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
7  Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
8  Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9  To kill [1.2, 1.7]
10  To put out a lamp [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11  Tuer [1.3#157, 1.8]
12  Pouvoir tuer, donner la mort, mortel [1.3#157]
13  Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari [1.3#157]
14  Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude [1.3#157]
15  Éreinter, assommer, empester, étouffer [1.3#157]
Ohatra  16  Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123#]
17  Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#]
18  Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#]
19  mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157]
20  mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157]
21  nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157]
22  Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#]
23  mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157]
24  nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157]
25  mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157]
26  mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157]
27  nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157]
28  mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157]
29  Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157]
30  Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157]
31  Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157]
32  Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157]
33  nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157]
34  Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157]
35  Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157]
Haiendriteny 
36  Ny ankehitriny :
37  Ny lasa :
38  Ny hoavy :
39  Filaza mandidy :
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  42  mahafaty, mahatafy

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/13