|
|
|
|

Teny iditra 1  mahatonga
Fototeny  2 tonga
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Afaka hitondra: Tsy mahatonga io vata mavesatra io hatrany an-tsena aho
8 Ampy mba hahatongavana: Ariary zatovao mahatonga any Ambatolampy rehefa Asabotsy
9 Miteraka, mahavoa: Mahatonga aretin-kibony voankazo manta
10 Mampanjary: Ny fiarahan' ny zanakao amin' ny naman-dratsy no nahatonga azy ho maditra [1.1]
11 miteraka [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  12 to bring to, to cause to come, to make to be [1.2#661]
Fanazavàna teny frantsay  13 Porter à, conduire jusqu’à, faire devenir, rendre, causer, suffisant pour porter: Tsy nahatonga ny entana hatreto aho (Je n'ai pas pu porter le paquet jusqu’ici) ~ Tsy nahatonga ilay olona aho (Je n'ai pas pu conduire cet homme) ~ Ny fianarana no nahatonga ny zanakao ho hendry (L'étude a rendu votre enfant sage) ~ Mahatonga aretina ny fahalotoana (La malpropreté cause des maladies) ~ Tsy mahatonga any Mojanga ity vola ity (Cet argent ne suffit pas pour arriver jusqu'à Mojanga) ~ Tsy mahantonga entana ity bao ity (Ce bois ne suffit pas pour porter le paquet) [1.3#724]
14 provoquer [1.13]
Ohatra  15  Inona moa no mahatonga izany? [2.59#]
16  Izany no mahatonga ny tanimbary ho tototra atsanga. [2.117#]
17  Ka mahatonga anay ho amin' ny anton-dianay androany. [2.245#]
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mahatonga
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  20 mahatango, mahatonga, 21 mangataho

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21