Teny iditra | 1 mahatonga (tonga) |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Afaka hitondra: Tsy mahatonga io vata mavesatra io hatrany an-tsena aho 4 Ampy mba hahatongavana: Ariary zatovao mahatonga any Ambatolampy rehefa Asabotsy 5 Miteraka, mahavoa: Mahatonga aretin-kibony voankazo manta 6 Mampanjary: Ny fiarahan' ny zanakao amin' ny naman-dratsy no nahatonga azy ho maditra [1.1] 7 miteraka [1.13] |
Fanazavàna teny anglisy |
8 to bring to, to cause to come, to make to be [1.2#661] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 Porter à, conduire jusqu’à, faire devenir, rendre, causer, suffisant pour porter: Tsy nahatonga ny entana hatreto aho (Je n'ai pas pu porter le paquet jusqu’ici) ~ Tsy nahatonga ilay olona aho (Je n'ai pas pu conduire cet homme) ~ Ny fianarana no nahatonga ny zanakao ho hendry (L'étude a rendu votre enfant sage) ~ Mahatonga aretina ny fahalotoana (La malpropreté cause des maladies) ~ Tsy mahatonga any Mojanga ity vola ity (Cet argent ne suffit pas pour arriver jusqu'à Mojanga) ~ Tsy mahantonga entana ity bao ity (Ce bois ne suffit pas pour porter le paquet) [1.3#724] 10 provoquer [1.13] |
Ohatra |
11 Inona moa no mahatonga izany? [2.59#] 12 Izany no mahatonga ny tanimbary ho tototra atsanga. [2.117#] 13 Ka mahatonga anay ho amin' ny anton-dianay androany. [2.245#] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny mahatonga io |
Fivaditsoratra | 19 mahatango, mahatonga, mangataho |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |