Teny iditra | 1 mahomby |
Fototeny | 2 omby |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin' ny fanadinana ~ Tsy nahomby ny tetik' ireo nandroba tany Toamasina Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran' ny sotro aho dia nisinda ny aretin' andohako (raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy. |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to be able to do something, to be able to effect 6 [1.7] to be able to do it; to succeed |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] être capable de faire une chose; réussir |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 12 mahasehaka, mahovoka |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 16 Ohabolana misy io teny mahomby io |
Fivaditsoratra | 17 hamboim, hiombam, hombaim, mahomby, mihambo, ombiham |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |