|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  omby
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin' io toerana io): Be loatra ny olona nasaina fa tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin' io efitra kely io?
4  [1.62] antonona, sahaza ka samy azo faritana amin'ny io na ny ampidirana na ny ampidirina: Tsy omby ny tongony ilay kiraro / Tsy omby an' ilay kiraro ny tongony
5  [1.78] [Sihanaka] antonona
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.2] sufficient, enough, competent, large, spacious, roomy, reaching to, arriving at. It is also used for mby
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3] suffisant, capable de contenir, qui contient; arrivé, rendu, entré dans: Omby olona roapolo ity trano ity (Cette maison peut contenir vingt personnes) ~ Tsy omby ny tongotro ireto kiraro ireto (Ces souliers sont trop petits pour mes pieds) ~ Nony omby tao an-trano izy... (Lorsqu'il fût arrivé à la maison...)
Sampanteny 
8  Matoantenin' ny mpanao :
9  Matoantenin' ny fameno :
10  Anarana :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny omby io
Sary 
17 

Teny iditra (2/4)18  omby
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny malagasy  20  [1.1] Biby lehibe ompiana, karazan' ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin' ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan' ny harena lehibe ho an' ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika.
21  [1.62] biby lehibe tariky ny misy taolantehezana, mandinika, miteraka sy mampinono ka iray hatrany ny zanany na dia mety hiteraka kambana aza; ...
Fanazavàna teny anglisy  22  [1.2] an ox, a cow, cattle. Bos indicus, Var. [swa. Ngombe.] see ombe.
23  [1.7] a cow, an ox; cattle
Fanazavàna teny frantsay  24  [1.3] boeuf, l'espèce bovine
grossier qui ne sait pas la politesse
25  [1.54] boeuf
26  [1.8] boeuf, vache
Fanazavàna teny italianina  27  [1.18] bùe (lahy), vacca (vavy)
Fanazavàna teny alemà  28  [1.56] Rind, Rinder: Mitrena ny omby (die Rinder brüllen)
Isam-pirenena  29  [3.1] Bos indicus
Ohatra  30  [2.470] Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitra
31  [2.472] ombiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireo
32  [2.472] Rahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahy
33  [1.3] Ariary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé)
Voambolana  34  Haibiby: mampinono
Haiendriteny 
35  Tsotra :
Sampanteny 
36  Anarana :
Tovy hevitra  37  añombe, anomby, aombe, aomby, jamoka, jamoka, jamòka, mbe, ombe
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Lohateny  55  Kabary amin' ny Fanolorana omby ho an' ny mpandevina (Rasamuel Maurice)
56  Mpiandry omby (Andriarimalala René)
Ohabolana  57  Ohabolana misy io teny omby io
Teny nalaina  58  Soratra misy io teny omby io
Tsanganana sy sary iray takila  59  Soratr' omby
60  Bikan' ny tandrok' omby
Lahatsoratra  61  Randzavola: omby ao amin' ny Baiboly
Sary 
62  63 

Teny iditra (3/4)64  omby
Sokajin-teny  65  anarana
Fanazavàna teny malagasy  66  [1.1] Trano ataon' ny bibindandy
67  [1.62] trano ataon'ny bibin-dandy hisitrihany
Fanazavàna teny anglisy  68  [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  69  [1.3] action de faire le cocon, se dit des vers à soie
Voambolana  70  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Sampanteny 
71  Matoantenin' ny mpanao :
72  Matoantenin' ny fameno :
73  Anarana :
74  Mpamaritra :

Teny iditra (4/4)75  omby
Sokajin-teny  76  anarana
Fanazavàna teny malagasy  77  [1.60] sefo, lehibe
Fanazavàna teny frantsay  78  [1.60] chef, patron (le chef est fort comme un boeuf)
Tovy hevitra  79  alezy, baibony, kala be, kalaina, kapta, katraka, laibany, mpanana, ngetroka, nôb, pata, pakta

Fivaditsoratra  80  imbo, mibo, omby

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/13