Teny iditra |
malalaka
(lalaka)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Lehibe ny sakany sy ny lavany: Malalaka ny lakozianareo izany Enti-milaza ny akanjo lehibe loatra ho an' ny tena ka toa difotra ao anatiny ny tena: Malalaka loatra iny kapaotinao iny izany
Be sakana, na be velarana, migodana: Malalaka ny arabe eto Antananarivo Misy elanelany makadiry: Malalaka loatra ny andalan-tsoratrao Lava, betsaka: Malalaka ny fotoana hamitako itỳ sary itỳ [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Spacious, roomy [1.2, 1.7]
|
| Wide [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Spacieux, vaste, ample [1.3, 1.8]
|
| Grand, large, espacé [1.3]
|
Ohatra |
1 | Malalaka ny tokotany niraisana
[2.356]
|
2 | Malalaka ny efi-trano (La chambre est spacieuse)
[1.3]
|
3 | Nalalaka tokoa ny fotoana nilalaovanay
[2.445]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
malalaka |
Ny lasa : |
nalalaka |
Ny hoavy : |
halalaka |
|
Sampanteny |
Ohabolana |
|
Teny iditra |
malalaka
(lalaka)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Manam-potoana tsara, tsy misy mahamaimaika: Malalaka aho izao handray azy fa asaivo miditra izy Tsy teritery: Olona malala-tsaina Rabe Ananana fahafahana tsy voageja: Malalaka ny fifidianana ka fidio izay tianao na ny eny na ny tsia [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Liberal [1.2]
|
| Without constraint [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Sans contrainte [1.3, 1.8]
|
| Libre, qui donne amplement la liberté, la faculté, la permission [1.3]
|
Ohatra |
1 | Malalaka indrindra ny didinao
[2.996]
|
2 | Halalaka ny varotra sy harovana tsara ny fananan' ny Anglisy
[2.366]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
malalaka |
Ny lasa : |
nalalaka |
Ny hoavy : |
halalaka |
|
|