| Teny iditra (1/2) | 1 malalaka |
| Fototeny | 2 lalaka |
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
8 Lehibe ny sakany sy ny lavany: Malalaka ny lakozianareo izany
9 Enti-milaza ny akanjo lehibe loatra ho an' ny tena ka toa difotra ao anatiny ny tena: Malalaka loatra iny kapaotinao iny izany 10 Be sakana, na be velarana, migodana: Malalaka ny arabe eto Antananarivo 11 Misy elanelany makadiry: Malalaka loatra ny andalan-tsoratrao 12 Lava, betsaka: Malalaka ny fotoana hamitako itỳ sary itỳ [1.1#563] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 spacious, roomy
[1.2, 1.7] 14 wide [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
15 spacieux, vaste, ample
[1.3#375, 1.8] 16 grand, large, espacé [1.3] |
| Ohatra |
17 malalaka ny tokotany niraisana
[2.356#7]
18 malalaka ny efi-trano (La chambre est spacieuse) [1.3#375] 19 nalalaka tokoa ny fotoana nilalaovanay [2.445#86] |
| Mpanahaka | 20 Lobaloba, 21 milobaloba |
| Fikambanana | 22 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how malalaka |
| Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 24 malalaka |
| Fototeny | 25 lalaka |
| Sokajin-teny | 26 mpamaritra |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
30 Manam-potoana tsara, tsy misy mahamaimaika: Malalaka aho izao handray azy fa asaivo miditra izy
31 Tsy teritery: Olona malala-tsaina Rabe 32 Ananana fahafahana tsy voageja: Malalaka ny fifidianana ka fidio izay tianao na ny eny na ny tsia [1.1#563] |
| Fanazavàna teny anglisy |
33 liberal
[1.2] 34 without constraint [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
35 sans contrainte
[1.3#375, 1.8] 36 libre, qui donne amplement la liberté, la faculté, la permission [1.3] |
| Ohatra |
37 malalaka indrindra ny didinao
[2.996]
38 halalaka ny varotra sy harovana tsara ny fananan' ny Anglisy [2.366#58] |
| Fikambanana | 39 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how malalaka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|