|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mamalana
Fototeny  2 valana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandefa hanaraka ny rano: Mamalan-drano ny ondana niondanan' ny maty ny olona, mba ho lasany any ny ratsy rehetra!
9 Mandroaka, mampihataka lavitra: Misy mihitsy didy mamalana ny biby mpanimba voly lavitra ny fonenan' ny olona
10 Manisy fampandairan-doko amin' ny lamba; maneza: Mamalana lamba landy
11 Mandiso ny feon-kira izay manjary mitambororotra: Aza avela hihira ireo ankizy ireo fa mamalan-kira [1.1]
Fikambanana  12  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mamalana

Teny iditra (2/3) 13  mamalàna
Fototeny  14 valana
Sokajin-teny  15  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamalana [Fitanisana]

Teny iditra (3/3) 16  mamalana
Fototeny  17 falana
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  19 [Provincial] to follow by some other road, to follow on the other side; to go to the other side of a tree for the purpose of chopping it down after one side has been hewn [1.2]

Fivaditsoratra  mamalàna, mamalana, 20 mamanala, 21 manalama

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19