Teny iditra mamerina (verina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Milaza indray: Mamerina ny teny lazaina ny ako
Manao fanindroany: Tsy afaka tamin' ny fanadinana aho taona iny ka dia voatery namerina indray taona nanaraka
Manatitra: Tsy namerina ny elo nindraminy izy
Manonitra: Moa efa namerina ny vola nangalariny ve Rakoto [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Rendre, rapporter, redire, ramener [1.3]
 Réviser, refaire [1.13]
Ohatra 
1Fa raha mbola mamerina ise, dia voatery hisaraka isika. [2.356]
2Mamerina mandrakotra sy manambitamby azy Rasoa, olon-tiany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamerina
Ny lasa : namerina
Ny hoavy : hamerina
Filaza mandidy : mamerèna
Tovy hevitra manindroa
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/14