Teny iditra mamily (vily)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampandeha amin' ny lalankafa tsy amin' ny hitsiny teo aloha: Mamily bisikileta
Mampibirioka, mampiviona: Ny fahazaran-dratsy no namily azy ho any amin' ny lalan' ny fahaverezana
Manolaka: Mamily ny hevitry ny teny iray [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To turn aside [1.2, 1.7]
 To cause to deviate from a straight course [1.2]
 To cause to deviate; to steer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Détourner, faire dévier [1.3, 1.8, 1.5]
 Rejeter, égarer [1.3]
 Diriger ou conduire [1.8]
 Conduire une voiture [1.5]
Ohatra 
1ary izay maniry hanan-karena dia mamily ny masony. [2.996]
2hoy Ihary namily ny resaka mba tsy hitohizan' ny hadrohadro [2.529]
3hoy ilay tovolahy namily ny lakany hanatona ny nosy [2.5]
4Raha misy manakely ny làlana, na mamily azy, dia sazina omby dimy. [1.123]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamily
Ny lasa : namily
Ny hoavy : hamily
Filaza mandidy : mamilia

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20