|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mamisavisa
Fototeny  2 visavisa
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mitanisanisa, milaza tsirairay: Namisavisa ny fahoriany teo izy ka nalahelo azy erỳ aho
9 Milazalaza hatramin' izay antsipiria ny madinika: Mamisavisa ny toetran' ny voninkazo
10 Mamohafoha (ny lasa) sady mitalaholaho: Namisavisa ny lasa teo am-pijerena ny masoandro milentika izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to describe minutely, to enumerate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 décrire en détail; énumérer [1.8]
Ohatra  13  mamisavisa ny ratsy hihavian' ny soa. [2.285#]
14  Ka hany heriko dia ny mamisavisa an-dry zareo tranainy na dia tsy mba be zava-tsoa sy mahazendana toy ny antsika ankehitriny aza ny toetrany. [1.437#]

Teny iditra (2/2) 15  mamisavisa
Fototeny  16 visavisa
Sokajin-teny  17  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamisavisa [Fitanisana]

Fivaditsoratra  mamisavisà, mamisavisa

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/13