|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mamotsotra
Fototeny  2 votsotra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mamaha, manaboraka: Iza no namotsotra ity kofehy itỳ?
9 Mitery (ombivavy): Lasa namotsotra omby any an-tsaha izy
10 Manafaka gadra na mpanompo: Iza no mpanjakavavy namotsotra ny mpanompo raha mba fantatrao?
11 Manala (ny fahotana): Nahazo lalana tamin' ny Tompo hamotsotra ny fahotana izy
12 Miala, mamadika: Mahagaga fa namotsotra indray ny iray tamin' ireo nilatsaka hofidina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to set free [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 faire glisser entre les mains, ingurgiter, traire, nettoyer, enlever les feuilles en faisant glisser entre les doigts, les mains
15 (figuré) affranchir un esclave, absoudre les péchés [1.3]
16 libérer, lâcher [1.8]
17 effeuiller, comme on le fait pour les rameaux du mûrier [1.196]

Teny iditra (2/2) 18  mamotsotra
Fototeny  19 votsotra
Sokajin-teny  20  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  21 [Antambahoaka] afa-jaza [1.78]
22 [Bezanozano] maty anaka [1.78]
23 [Tanala] afa-jaza, tsy mahavanon'anaka [1.78]
24 Enti-milaza biby miteraka ka tsy mahazo ny zanany: Namotsotra indray Ikalamavo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25 qui avorte, se dit des animaux [1.3]
Ohatra  26  Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. [2.996#22.021.010]

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19