Teny iditra manakely (kely)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatonga kelikely kokoa: Manakely akanjo
Mampihena: Tsy mety ny manakely ny hadisoana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Rapetisser [1.3, 1.107]
 Diminuer, amoindrir [1.3]
Ohatra 
1amin’ ny masolavitra misy ilany manakely ny zavatra jerena (dans la longue-vue il y a un côté qui rapetisse les objets qu’on regarde) [1.3]
2nanakely ny tokotaninay ny làlana vao natao (le chemin qu'on vient de faire a amoindri notre emplacement) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manakely
Ny lasa : nanakely
Ny hoavy : hanakely
Filaza mandidy : manakeleza
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25