Teny iditra manapaka (tapaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandidy zavatra amin-java-maranitra na amin' ny fomba hafa ka tarangana mizara roa misaraka ilay zavatra: Nisy nanapaka na pensiliko
Mampiato, mampijanona: Aza misy manapaka ny teniko
Mandidy: Iza no afaka hanapaka ny amin' ny aiko sy ny fananako
Tsy tonga miasa na mianatra: Tsy mbola nanapaka io mpiasa io hatramin' ny nidirany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To cut off, to cut across
To settle or decide; to rule; to govern [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Couper en travers
Décider; gouverner [1.8]
 Trancher, couper [1.13]
Ohatra 
1Renilezo mihitsy no manapaka ny zavatra rehetra. [2.324]
2Ny fahatelo, atsimo mianavaratra, manapaka ireo roa voalohany, miala any Antanambao ary mivarina any Alaotra, misy tokony ho 30 kilaometatra. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manapaka, manapak', manapa-
Ny lasa : nanapaka, nanapak', nanapa-
Ny hoavy : hanapaka, hanapak', hanapa-
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20