|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mandika
Fototeny  2 dika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandalo na mihoatra avy eo ambony: Alohan' Anjiro kely dia mandika namana ny lalamby
9 Miserana na mivikina eo anoloana na eo ambony: Aza mandika olona re, anaka
10 Tsy manaraka: Nandika ny baiko nomeko ianao
11 Maka tahaka, mamindra soratra: Nijery ire to zaza miondrika mandika izay nosoratako teny amin' ny solaitrabe aho ka lasa eritreritra lavitra
12 Mamadika amin' ny fitenim-pirenen-kafa na amin' ny fitenin' ny tena: Iza no handika ny tenin' io vahiny io fa tsy azonay izay lazainy? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to overstep, to transgress a law or command, to translate or interpret; to bear at uncertain or distant intervals, as cattle [1.2]
14 to go over a mark or limit; to transgress a law; to translate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 passer par-dessus, passer une limite; violer une loi; traduire [1.8]
Ohatra  16  Ny mandika tongotr' olona mitsotra. [1.437#]
17  Ka izay mandika ny didy dia ampandoavina [2.508#]
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 6 misy ny teny hoe mandika
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 20  mandikà
Fototeny  21 dika
Sokajin-teny  22  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandika [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  mandika, mandikà, 23 mankady, 24 mikanda

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19