|
|
|
|

Teny iditra 1  manentina
Fototeny  2 tentina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandoko, manosotra: Iza no nanentina loko mena ity lamba itý?
9 Manentsina hirika, lavaka: Vao avy nanentina ny siny loaka aho
10 Manampy, mameno ny banga: Manentina ny madilana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to smear; to caulk [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 barbouiller, calfater [1.3#697, 1.8]
13 Tacheter, boucher un trou, une fissure
14 figuré: salir la réputation de quelqu’un [1.3#697]
15 enduire [1.8]
Ohatra  16  Vita àry ity ny tantara sy ny toetoetry ny teo aloha nataoko, ka anjaranareo kosa ny manentina ny madilana sy manohy ny tapaka, fa mbola notsorina sy nafohezina be ny Klaza azy ity. [1.437#]
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  18 manan-teny, manentina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21