Teny iditra |
mangadihady
(hadihady)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Enti-milaza toerana foana tsy misy na inona na inona fa osa daholo izay zavatra tao, toy ny tany tsy misy ahitra na voly izany, na toy ny loha nokakasana: Nataony nangadihady ny lohany ka saika tsy fantatro izy [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Bare, barren (country); bald, as the head. [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Nettoyé, complètement vide, nu, découvert, pelé:
Mangadihady ny trano (La maison est complètement vide) ~
Mangadihady ny lohany (Sa tête est pelée, chauve, rasée) ~
Tany mangadihady (Pays nu, découvert) ~
Tondiombohitra mangadihady (Montagne pelée) [1.3]
|
Ohatra |
1 | Tanety sola sy mangadihady sisa no navelany dia nifindra lasy indray izy.
[2.445]
|
2 | dia ilay tanàna kely mangadihady mitorevaka eo afovoan' ny torapasika mahamay.
[2.499]
|
3 | Maro ireo tehezan-tendrombohitra no mangadihady, tsy ahitana hazo maniry intsony.
[2.117]
|
|
|