Teny iditra mangaika (gaika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamehy, mamihina: Mangaika ny tenda ny fehitendako
Mangia tsy mamela hiala: Felatanamangaiha ny rantsana
Manery: Nahay nangaika anay hiasa ny mpampianatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To tie, to bind together, to grasp
Fig. to press, to constrain, to force, to urge. Comp. haika [1.2]
Ohatra Sady tsy rantsa-mangaika ny Fiangonana no tsy fahefana koa. [1.369]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangaika
Ny lasa : nangaika
Ny hoavy : hangaika
Filaza mandidy : mangeha
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Teny iditra mangaika (haika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Miantso: Mangaika andriaña ka ñ'lavitra ñ'mandre (miantso an-driana ka ny lavitra no maheno) [1.78]
 Miantso mba ho tonga, mamory [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] Same as mihaika [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangaika
Ny lasa : nangaika
Ny hoavy : hangaika

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/09